Aller au contenu

Pamfilia

Avy amin'i Wikipedia
Ny sisam-paharavan' i Pamfilia

I Pamfylia dia faritra ara-tantara tamin' ny Andro Taloha any amin' ny tapany atsimon' i Azia Minora, eo anelanelan' i Likia (na Lisia) eo andrefana, i Kilikia (na Silisia) eo atsinanana, i Pisidia sy i Likaônia eo avaratra ary ny Ranomasina Mediteranea eo atsimo, ka hatrany amin' ny Tendrombohitra Taorosy (amin' ny faritanin' i Antalya ankehitriny, any Torkia). Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Παμφυλία / Pamphylía.

I Pamfilia ao Azia Minora na Anatôlia

Tany kely izy io, manana morontsiraka 120 km eo ho eo sy sakany 50 km eo ho eo. Tamin' ny fitantanan' ny Rômana ny teny hoe Pamfilia dia nitarina ka nampiditra an' i Pisidia hatrany amin' ny sisin-tanin' i Frigia sy ny an' i Likaônia, ary amin' io heviny mivelatra io no nampiasan' i Ptôlemeo io teny io.